SocialTsidika

Tsy mandrimandry ny tany ka tsy tokony hivoaka alina.

Isan’ireo mitandro ny filaminam-bahoaka ny polisim-pirenena ary manohina ny antso avy hatrany amin’ny resaka tsy fahandriam-pahalemana na andro na alina. Ny alarobia 24 febroary tokony ho tamin’ny 02 ora maraina izy ireo no nahazo antso fa misy tranga hafahafa teny amin’ny faritra 67 teny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ka Rangahy iray 44 taona miboridana tsy misy akanjo intsony no tratran’ny vaomieran’ny fandriampahalemana teny. Noentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Polisy ity rangahy ity nanaovana fanadihadiana mahakasika ilay zavatra nataony. Mpamosavy ve sa nivoaka alina fotsiny tsy niakanjo ity rangahy ity? Tsy mandrimandry izao ny tany ka tsy tokony hivoaka alina ny olon-tsotra akoatra ireo mpampandry fahalemana manao fisavana amin’ny alina. Tsy adalan’ny Ntaolo akory no niteny hoe” ny alina tsy mba namana” koa tsara raha mijanona an-trano ny tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire