SportTsidika

Boeny : Efa ho aman’aliny ireo mpifindra monina avy any Atsimo

Mihazakazaka miala ny toeram-ponenany ireo mponina ao Atsimon’i Madagasikara. Mpifindra monina efa ho aman’aliny no tonga ao amin’ny faritra Boeny amin’izao fotoana izao.

« Tsy misy ny rotsak’orana ary tonga ny hain-tany. Ny olona anefa tsy maintsy mivelona. Voatery izy ireo mifindra monina miala ny faritaniny » hoy i Lanto, mpianatra jeografia ao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha olona. « Namidy avokoa ny fananana mba hahazahoana vola ho atao saran-dalana. Tsy misy intsony mantsy ny hiveloamana any. Ngazana ny tany, maina tsy misy azo atao » hoy i Romain, mpifindra monina tonga teto Antananarivo.

« Iray hetsy Ariary ny saran-dalana avy any mandeha Antananarivo. Misy amin’izy ireo tsy misakafo mihitsy eny an-dalana. Ankizy aman-behivavy no betsaka » hoy ny mpamily iray nitondra mpifindra monina avy any Atsimo. Nandalo teto Antananarivo izy ieo ary nitodi-doha nakany Ambondromamy sy Mahajanga. Tsy maintsy nandray vahaolana ny governoran’ny faritra Boeny noho izany. Nanokanana velaran-tany 117 Ha ho azy ireo ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

Marihina fa isan’ny sompitr’i Madagasikara ny faritra Boeny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire