Sambava : Olona roa maty ary zandary iray naratra
Voarara ary tsy ekena ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka, efa nasiana ny mpitandro filaminana izay mandray andraikitra manoloana ny olon-dratsy. Tena manohitohina sy manimba endrika ny mpitandro filaminana sy ny Fahefam-panjakana ary ny Vahoaka malagasy eo imason’izao tontolo izao ny fanaovana izany fitsaram-bahoaka. Vahoaka hendry ny Malagasy ka afaka mampitoetra ny fifampitokisana amin’ireo Mpitandro filaminana mba ho soa ho an’ny vahoaka sy ny fiaraha-monina manoloana ny olon-dratsy. Saika nahitana fitsaram-bahoaka mantsy tany Amboangibe Sambava SAVA ny andron’ny faha 24 aprily 2021 lasa teo. Nadrava izany ireo zandary avy ao amin’ny Tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Amboangibe. Vokany, olona roa namoy ny ainy vokatry ny fitifirana nataon’ny zandary izay niaro ny Toby, zandary iray ihany koa naratra voatorabato. Nisy dokotera iray novonoin’olona mantsy tao Amboangibe ny 21 aprily 2021 ka efa voasambotra ny roa tamin’ireo nahavanon-doza. Nitohy ny famotorana ka nisy olona iray hafa nahiana ho anisan’ny nahavanon-doza ka nosamborina ny 24 aprily. Fantatr’ireo mponina tao antoerana izany toe-javatra izany ka tonga teo anoloan’ny Brigade izy ireo nikasa hamoaka ity farany ho vonoina fa tsy atolotra ny fitsarana. Nanao tifi-danitra ireto zandary handravana ireto vahoaka ireto saingy tora-bato no setriny. Tsy maintsy niaro ny toby anefa ny zandary ary izay no nahafaty ireto olona roa ireto. Efa alina vao tony ny vahoaka ary nafindra toerana vokatr’izany ireo jiolahy. Hisy kosa ny fanadihadihana manoloana izao fahafatesan’olona izao. Tany tàn-dalana i Madagasikara ary efa napetraka ireo sehatra isan-tsokajiny handraisana ny raharaha tahaka izao, koa aoka ny fitsarana sy ny famotorana no handray ny fanapahan-kevitra. Miasa ho an’ny vahoaka izy ireny, izany hoe isan’ireo solontenan’ny vahoaka ihany, noho izany aoka izay efa napetraka hanao ny asany.
Nicole Rafalimananjara
