France :Fanafihana tany Paris,nahafatesana mpizahantany sy naharatrana olona maro
Mbola tazonin’ny polisy ny Alatsinainy 4 Desambra, ilay Islamista mahery fihetsika namono tanora Filipiana mpizaha tany sy nandratra olona roa hafa teo akaikin’ny Tilikambon’i Eiffel tao Paris tamin’ny sabotsy hariva.
Nosamborina i Armand Rajabpour-Miyandoab, Franco-Iraniana, 26 taona, taorian’ny fanafihana izay nahafatesana tanora mpizaha tany alemà-Filipiana iray sy naharatrana olona roa hafa, ny asabotsy tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo akaikin’ny tetezan’i Bir -Hakeim, volana vitsivitsy mialoha ny lalao olympika 2024 eto an-drenivohitra.
