SocialTsidika

Mpidoroka zava-mahadomelina tratra tany Toamasina

Tra-tehaka tany Mangarano Toamasina ny lehilahy iray mpidoroka zava-mahadomelina. Moto sy entana ahiaan ho halatra no hita teny aminy ary nogejaian niaraka taminy. « Nandritra ny fisafoana sy fisavana nataon’ny avy ao amin’ny Kaomisarian’ny polisy ao amin’ny boriborintany faharoa tany Toamasina no nahatratrarana ity rangahy ity » hoy ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena.

« Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana aty, mahazo laka loatra ny ratsy eto amintsika hany ka tsy mandry andro tsy mandry alina izahay vahoaka » hoy i Gisèle, mponina ao Mangarano. « Mbola betsaka ny namany mialokaloka any ka efa nosokafana ny famotorana mba hahalalana ny mpiray tsikombakomba mbola any ho any » hoy ny tao amin’ny Kaomisaria ao amin’ny boriborintany faharoa. Ny zava-mahadomelina tokoa no tena fototra voalohany mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana.

Tokony hampitomboina ireo vovonana miady amin’ny fisotroana sy ny fidorohana zava-mahadomelina mba hampihenana ny tsy filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire