Fanabeazana: Mpampianatra 557 noraisina ho mpiasam-panjakana
Mitohy ny asan’ny Ministeran’ny Fnabeazama-pirenena. ANkoatra ireo mpampianatra FRAM maro tany amin’ny faritra uizay nahazo ny taratasy fifanarahana arak’asa dia tsy ambakan’izany ihany koa ny tato Analamanga. Mpampianatra miisa 557 no noraisina ho mpiasam-panjakana.
“Ireo be taona manodidina ny 45 taona hatramin’ny 55 taona no betsaka noraisina, efa nisy tamin’ireo no nampianatra efa ho 20 taona mahery fa izay vao voaray ho mpiasam-panjakana. Efa vola mitentina 40 miliara mahery ihany koa no entina hanefa any vacation ka aza manahy intsony ianareo”, hoy ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle.
“Nitondra fanatsarana betsaka tamin’ity fampianarana ity iny Minisitra iny satria anisan’ny nampiditra mpampianatra betsaka ho mpisam-panjakana. Mankasitraka azy araka izany ary mirary soa azy amin’izany adidy masina mbola ho vitainy izany”, hoy ny solontenan’ireo mpampianatra.
Tsar any mampatsiahy fa efa niisa 31 500 isa no voaray ho mpiasam-panjakana nandritry ny telo taona. Efa maro ihany koa ireo foto-drafitr’asam-pampianarana voaorina. Eo ihany koa rieo fampitaovana maro be. Raha tsara avokoa anefaizany rehetar izany ka ambany ny fari-pahaizana. Aiza no tokony laharam-pahamehana. Nandritry ny lanonana nandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana ireo dia nisy ny fanolorana “smartphone” ho an’ireo tale rehetra eto amin’ny faritra Analamanga, sy solosaina ho an’ireo tompon’andraikitra manerana ny CISCO miisa 54, hahafahana manangona ny antontanisa rehetra, hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana.
Miora Raharisolo
