Namoaka fanambarana ny avy ao amin’ny kaominina Alasora manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana.
Miato mandritra ny fotoana ny iray volana ny fanapoahana afomanga ao anatin’ ny kaominina Alasora na inona mety ho antony.
Voarara ary tsy azo atao ihany koa ny manao lanonana manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 7 ora maraina.
Mikatona manomboka amin’ ny 09 ora hariva ny Bar sy ny toerana fanaovana karaoke rehetra ao an-toerana hatrany.
