ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Mila fandraisana fepetra fahasimban’ny lalana ao Antsofonondry

Tao anatin’ny fotoana maromaro izao no nahitan’ny mponina ny fahasimban’ny lalana rarivato ao Antsofonondry, kaominina Sabotsy Namehana. Mila fandraisana fepetra na fanamboarana izany, hialana amin’ny fihitaran’ny fahavoazana, raha ny voalaza.

« Maro be ny hevitra mipetraka manoloana ity fahasimbana lalana ity. Tsy hay mazava izay tena miteraka ny fahasimbany na vokatry ny tsy fanarahana fenitra tamin’ny fanamboarana na ny mpampiasa azy no manimba na fanahiniana fotsiny » hoy i Rojo, mpampiasa ny lalana.

« Anisan’ny olana voalohany indrindra mahatonga ny fahasimbana tahaka izao dia ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny foto-drafitr’asa. Eo ihany koa ny tsy fanarahana ny fenitra eo amin’ny fanamboarana ka raha vao andehanan’ny fiara mafy na mavesatra ny lanja mandeha aminy dia mandrava ireo rari-vato » hoy i Tahiana, teknisianina amin’ny fanamboaran-dalana.

Ny fikojana ny lalana sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fikoloana izany moa no handrasan’ny mponina amin’izao zava-misy izao. Indrindra ny fanaraha-maso ny tena antony mahatonga izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire