ActualitésTatitra

La Réunion : Misy manohitra ny didim-panjakana mandrara ny hetsika an-dranomasina mampiasa ny herin’ny onja

Ny « arrêté préfectoral n° 321 » nivoaka ny 7 febroary 2023 ao La Réunion dia mandrara ny hetsika an-dranomasina mampiasa ny herin’ny onjan’ny ranomasina rehetra (surf, bodyboard, bodysurf, longboard, paddleboard) any amin’ny 300 metatra miala ny morontsiraky ny nosy.

Nametraka fangatahana fanafoanana izany tao amin’ny tribonaly tao Saint-Denis nefa ny mpanolo-tsain’ny departemanta Saint-Paul, Jean-François Nativel ny alatsinainy teo. Raha tsiahiviana dia efa nametraka fitarainana manoloana ny votoatin’izany izy ny 11aprily teo. Nilza ny tenanay fa fanimbana ara-moraly ihany koa io fanampahan-kevitra io.

Marihana fa ny tenany dia mpankafia manokana ny ranomasina ary mpifaninana mpanazatra sy mpitaingina bodyboard.

Laisser un commentaire