ActualitésTatitra

Scène de genre : Karazana hosodoko iray

Misy karazany maro ny hosodoko, isan’izany ny « Scène de genre ». Ity karazana hosodoko ity dia maneho toe-javatra misy tantara (anecdotique) na mahazatra (familier). Antsoina ihany koa izy io hoe « peinture de genre ».

Lavitra ny toeran’io karazana hosodoko io tao amin’ny filaharan’ny karazana hosodoko (hiérarchie des genres) tany am-piandohana saingy nohatsaraina izy tany amin’ny taonjato faha-17, tany amin’ny firenena faritra avaratr’i Europe ka nanana ny lazany. Nanomboka tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-19 ka hatramin’ny taona 1930 no tena sarobidy ity karazana hosodoko ity ary naharesy ny lazan’ny karazana hosodoko « peinture d’histoire » mihitsy izy. Lohahevim-pamianarana manokana tany amin’ireo sekolin’ny ara-javakanto samihafa tao Europe mihitsy izy tamin’izany.

Isan’ireo hosodoko malaza amin’ity karazana hosodoko ity kosa i Le Caravage (1571-1610), Da Ponte (1557 – 1622), Maître à la Chandelle…

Laisser un commentaire