Ny tolo-dalàna mikasika ny toaka gasy
Raha mbola misy fety na fombafomba atao teo amin’ny malagasy hatramin’izay, tsy maintsy miditra an-tsehatra ny toaka gasy. Misy faritra sasany eto Madagasikara misehatra amin’ny famokarana azy io ny ankamaroan’ny mponina ao aminy.
Mbola tsy ara-dalàna anefa hatreto ny famokarana sy fivarotana azy ity saingy tsy nataon’ireo mpikirakira sy mpanmokatra ho sakana izany. Nandritra ny fivoriana nataon’ny antenimierampirenena no nanolotra lalàna ny amin’ny fametrahana ity vokatra malagasy ity ho ara-dalàna ny filoha lefitry ny antenimierampirenena, Jean Brunelle Razafitsiandrofa saingy tsy nekeny izany.
Araka ny fanazavana, ho fitsinjovana ny fahasalamana no antony tsy nanekena ity tolo-dalàna mikasika ny toaka gasy ity hoy ny loholona Herilaza Imbiki. Nilaza kosa anefa ity solombavambahoaka nanolotra ity lalàna ity fa ilaina ny fametrahana lalàna mifehy azy ity noho izy tsy afa-misaraka ary tsy maintsy eo amin’ny kolontsaina sy fomban-tany malagasy.
Ally Herisoananahary
