TAMBERO
TAMBERO
Fanafody nentim-paharazana malagasy voatokana ho an’ny fahasalamana andavanandro
Fantatrao ve ny tambero ?
Ny tambero dia vokatra azo avy amin’ny siramamy nodoraina.
Inona no ilàna azy ?
Raha nianjera ny loha, na miakatra ny tosidra (tension), na ahiana misy rà mivaingana ao anaty, dia ny tambero no fanafody mahomby.
Ahoana no fampiasana azy ?
- Arotsaka ao anaty vilany kely ny siramamy.
- Dorana amin’ny rano kely.
- Rehefa may tsara dia totoina tsara ho vovoka.
- Tehirizina ao anaty bocal.
- Rehefa misy tranga dia maka sotrokely iray, arotsaka ao anaty rano iray vera, mandritra ny dimy andro no hisotroana azy.
Mandravona ny rà mivaingana izy io sady mampikoriana ny rà.
Fanafody malagasy nentim-paharazana – Mifampitandremana ary manaja ny fomba amam-panao nentim-paharazana.
