Actualités

Iran : Nanomboka ny fampielezana ny vaksiny fanefitry ny covid-19.

Nanomboka ny talata 09 febroary ny fanaovana vaksiny ho fanefitry ny covid-19 ho an’ireo iraniana, raha araka ny sary fanehoana navoakan’ny televizonam-panjakana mivantana avy tany an-toerana. Anisan’ny firenena manana mararin’ny coronavirus betsaka indrindra I Iran. Talohan’ny nanapahana hevitra amin’ny fanombohana ny fanaovam-baksiny any an-toerana, nahatsiaro manokana ireo mpiasan’ny fahasalamana manavotra ain’olona maro ao Iran ny filoham-pirenena iraniana, Hassan Rohani. Ny vaksiny rosiana Sputnik V no nosafidian’i Iran hatolotra ireo mponina ao aminy. Mbola andrasana ny 18 sy ny 28 febroary ho avy izao ny levim-patra fanampiny, ankoatr’ireo efa tonga any an-toerana. Raha tsiahivina, maherin’ny 58 500 ireo olona matin’ny covid-19 tao Iran. Manodidina ny 1,4 tapitrisa kosa ireo olona voamarina fa nitondra ny tsimonkaretina, hoy ny ministeran’ny fahasalamana any an-toerana. Maherin’ny 80 tapitrisa ireo mponina ao Iran amin’izao fotoana. Vinavinain’ny fanjakana any an-toerana ho vita vaksiny avokoa ireo olona ireo amin’ity taona ity.

Laisser un commentaire