ActualitésTatitra

Comores : Iza moa i Ikililou Dhoinine ?

I Ikililou Dhoinine dia teraka ny 14 aogositra 1962 tao Djoiezi tao amin’ny nosy Mohéli. Olom-panjakan’ny vondronosin’i Comores ny tenany. Filoha lefitra tao an-toerana izy ny taona 2006 hatramin’ny taona 2010 ary voafidy filohan’ny vondronosy ny 26 desambra 2010 ka nitondra nanomboka ny volana may 2011 hatramin’ny may 2016.

Tompon’andraikitra toeram-pamokarana fanafody tao Comores antsoina hpe PNAC ao Moroni no asan’i Ikililou Dhoinine tany tamin’ny taona 1994. Niandraikitra ireo mpiasa vonjimaikan’ny toeram-pivarotana fanafody tao Corniche tao Moroni ihany koa izy hatramin’ny taona 2004. Tompona toeram-pivarotana fanafody iray ao Fomboni ao Mohéli izy ary tale rejionalin’ny tetikasa ara-pahasalamana III teo ambany fiahian’ny Banky Iraisam-pirenena talohan’ny nidirana teo amin’ny sehatry ny politika.

Laisser un commentaire