ActualitésTsidika

RN7 Antsirabe : Nasiam-panamboarana ny lalana mirefy 20km hidirana ny tanànan’Antsirabe

Nidina ifotony nijery ny fanombohan’ny asa fanamboaran-dalana ny lalam-pirenena fahafito, izay manomboka eo amin’ny PK145+00 hatramin’ny PK 165+00 ny minisitry ny Asa Vaventy Hatrefindrazana Jerry notronin’ny Governora ny Faritra Vakinakaratra Vy Vato Rakotovao, ary ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny minisitera sy any an-toerana.

Lalana mirefy 20 km alohan’ny hidirana ny tananan’Antsirabe izay mandalo ao Andranomanelatra no asiam-panamboarana, izay anisan’ny nampitaraina ireo mpampiasa lalana nohon’ny haratsiny.

Nanambara ny minisitra fa lalana manaraka ny fenitra sy ny kalitao no hotanterahina, mahatratra 6 cm ny hatevin’ny tara izay hapetraka, nisy ihany koa ny fanamboarana ireo lalan-drano entina hiarovana ny arabe.

Ny tanjona lehibe apetraky ny minisitera dia ny tsy hisian’ny lavaka amin’ny RN7 amin’ny volana jolay 2023.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire