DépêchesTatitraTsidika

Haverina indray ny famokarana solika mavesatra ao amin’ny saha Tsimiromoro, izay tantanan’ny Madagascar Oil.

Haverina indray ny famokarana solika mavesatra ao amin’ny saha Tsimiromoro, izay tantanan’ny Madagascar Oil.

Efa mikasa ny hampandeha indray ireo tobim-pitrandrahana efa nisy ny tompon’andraikitra, ary hanatanteraka forage vaovao ihany koa mba hampitomboana ny famokarana. Tombanana ho 300 barila isan’andro amin’ny voalohany ny vokatra, ary kendrena hiakatra hatramin’ny 3.000 barila isan’andro ao anatin’ny roa taona

Ankoatra izany dia hahazo tombontsoa manokana ireo orinasa manana milina lehibe satria kasaina hofehezin’ny Madagascar Oil ny fizarana solika mavesatra ho an’ireo orinasa toy ny STAR Madagascar, Savonnerie Tropicale, Pêche et Froid de l’Océan Indien, ary ny JIRAMA izay mitaky manodidina ny 4.000 barila isan’andro.

Araka ny fanazavana, ny fikorontanan’ny tsena iraisam-pirenena sy ny voka-dratsin’ny COVID-19 tamin’ny indostrian’ny solika sy entona maneran-tany no isan’ny antony nahatara ny fanombohan’ny famokarana teo aloha.

Laisser un commentaire