ActualitésTsidika

Alasora: Nitondra anjara biriky teny amin’ny toeram-pitsaboana CSMA ny vondrona MMM

Tonga nitondra anjara biriky teny amin’ny ivon-toeram-pitsaboana “centre de santé Mamindra Aina- CSMA” teny Ankadindratombo, kaominina Alasora, ny filoha mpanorina ny fikambanana MMM (Malagasy Miara-Miainga), Hajo Andrianainarivelo, ny faran’ny herinandro teo.

“Ankoatra ny mahja MMM ny MMM dia mba nitondra ny anjara biriky kely ihany koa izahay, teto an-toerana” hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana. “Ny taona 2019 no nananganana ity toeram-pitsaboana eto  Ankadindratombo ity. Efa andalam-pamaranana ihany koa amin’izao fotoana ny CSMA ao Sabotsy Namehana sy ny any amin’ny faritry Fianarantsoa izay ahitana toeram-piterahana sy fitsaboana nify” hoy hatrany ny fanazavana.

Maro ireo olona no tonga mitsabo tena sy mizaha fahasalamana ao amin’ity ivon-toeram-pitsaboana ity. Ahitana sarangan’olona rehetra izany. Mizaka tena moa ny toeram-pitsaboana ka izay sarany ahafahana mampiodina azy no alohan’ireo tonga mitsabo tena ao aminy, rah any voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire