Maurice : Manodidina ny 38 ora isan-kerinandro eo ny mpiasa ao an-toerana no miasa
Raha ny fanadihadiana nataon’ny « Organisation Internationale du Travail » dia firenana faha-94 amin’ny firenena 195 miasa be indrindra ny nosy Maurice miaraka amin’ny ora faharetan’ny asa 38 ora isan-kerinandro eo (moyenne). Tamin’ny alalan’ny fandinihana ny ora hiasana lava indrindra sy fohy indrindra tao amin’ny nosy no nahazoana izany ora « moyenne » izany raha ny fanazavana.
Eo amin’ny laharana faha-65 no misy an’i Seychelles amin’ny ora fiasana 40 ora isan-kerinandro, eo amin’ny laharana faha-194 no misy an’i La Réunion amin’ny 29 ora isan-kerinandro ary eo amin’ny laharana faha-12 no misy an’i Maldives miaraka amin’ny 48 ora isan-kerinandro. Laharana voalohany ao amin’ny filaharana kosa i Tanzanie izay miasa 54 ora ora isan-kerinandro, arahin’i Bangladesh sy Sénégal amin’ny 51 ora.
Ny faharetan’ny ora fiasana kosa dia tsy midika fa tsy mampidi-bola betsaka ilay mpiasa, ohatra amin’izany i Pays-Bas izay laharana faha-133, miasa 30 ora isan-kerinandro saingy mitentina 54 262 dollars eo ny karal’ny mpiasa iray isan-taona.
