ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy: Mangataka ny handraisana fepetra mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina

Mamely ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao ao amin’ny fokontany maro ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ireo mpody hariva sy mandala elakelan-trano no tena lasibatry ny fanendahana sy ny fandrobana, araka ny voalaza.

“Mangataka fiaraha-miasa amin’ny mpiandro filaminana ny mponina satria tena mamely loatra ny tsy fandriam-pahalemana, tsy milamina ny tany, indrindra fa amin’ny alina. Maro ireo mpanararaotra ka tokony handraisana fepetra” hoy ireo mponina ao amin’ny fokontany Ankadikely.

“Tebiteby lava no hiainan’ny mponina ety an-toerana, na ireo olona avy niasa hamonjy fodiana na ireo ao an-trano satria mandry tsy lavo loha ny mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Efa maro ny fitarainana nalefa ka miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra mahefa ary ihany koa hijery ny zava-misy” hoy hatrany ny fanazavana.

Raha araka ny voalazan’ny mponina hatrany, maro ireo olom-baovao tsy voasoratra eny amin’ny fokontany, ahiana miteraka ny tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana. Mangataka ny hijerena ny zava-misy ary fandraisana fepetra araka izany ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire