Tsidika

JIRAMA :  Hametraka fitoriana mikasika ny fahatapahan-jiro ny Alahady 16 Jona lasa ateo

Nikaikaika sy velon-taraina ireo mpanjifan’ny JIRAMA nohon’ny fahatapahan-jiro ny Alahady lasa teo izay fotoana nanatanterahan’ny Filoham-pirenena Malagasy  fandaharana manokana tao amin’ny televiziona nasionaly. Nanambara kosa ny avy amin’ny JIRAMA fa ahiana ny mety nisian’ny hasoparana nandritra iny fotoana iny ka nahatonga ny fahatapahan-jiro tamin’ny faritra maro teto Antananarivo Atsimondrano. Manoloana izany dia nanambara ny orinasa fa hametraka fitoriana fiandry na ny « plainte contre X» mahakasika ity raharaha ity.

“ Nahataitra anay tompon’andraikitra eto amin’ny JIRAMA ny fitarainana maro mahakasika ny fahatapahan-jiro tany Atsimondarano ny Alahady lasa teo. Izahay anefa tsy nanatanteraka fanapahana mihitsy tamin ‘iny fotoana iny. Izay indrindra no antony nandraisanay ny fepetra hametraka ny fitoriana fiandry satria ahianay ho fisomparana niniana nataon’olo-tsy fantatra no nahatonga izany.”  Hoy ny avy amin’ny  JIRAMA                                                                                                                                                                Nanoloana iny tranga iny dia nanome tsiny ny JIRAMA ireo vahoaka mpanjifan’izy ireo . “ Efa tsy mahagaga anay intsony raha ny fahatapahan-jiro lava reny  efa iainana isan’andro saingy tokony nanao hezaka izy ireo mba nisoroka ny fahatapahana tamin’iny fotoana iny.  Tahaka’ny hoe  natao fanahiniana mihitsy ny fanapahana ka rehefa tamin’ny fotoana andehanan’ny valan-dresaka  dia notapahana. Tokony mba hitsinjo sy mba hanao ezaka ihany ny JIRAMA hanome fahafaham-po ho anay mpanjifa.” Hoy i Rodolphe raim-pianakaviana.

Mampametra-panontaniana araka izany ity tranga ity satria ny JIRAMA izay tompon’andraikitra no milaza ho tsy nahafantatra sy tsy tompon’andraikitry ny zava-nitranga. Andrasana araka izany izay ho tohin’iny fahatapahan-jiro ny Alahady lasa teo iny .

Miranto Andrih

Laisser un commentaire