Fivadiham-pitokisana : ny zaobaviny ihany no saika hamono azy
Tovovavy 20 taona no voasambotry ny polisy niaraka tamin’ireo roa lahy namany teo am-panaovana ny asa ratsiny. Araka ny fanazavana dia nikasa hangalatra ny fiaran’ilay zaobaviny ity tovovaavy ity ary koa nikasa hamono ilay tompon’ny fiara no izao tratran’ny polisy izao.
“Zaobaviko mipetraka ao amiko izy. Nikasa hivarotra ny fiaranay aho ary nilaza izy fa mahita mpividy saingy any Ambatofotsy na Imerikasinina vao mety hanao ny andrana an’ilay fiara ilay olona hita . Tsy nanaiky aho ka niteny hoe aleo atao eto amin’ny « Ville » ihany. Raikitra ary hoy izy ka teny akaikin’ny sekoly Masina Misely Amparibe no natao ny fanandramana . Teo no nanomboka tsikaritro fa hafahafa izy ireo. Roa lahy ireo olona niaraka taminay hoe hividy ny fiara. Araka ny hoe handrana dia ireo roa lahy ireo no nitondra ny fiara ka nandeha mora izy ireo no nalefany mafy ny radio ary nampiakariny avokoa ny fitaratra mainty ary mbola nidiny « secret » ny varavarana. Avy eo dia nokendain’izy ireo sy nosemporina tamin’ny « sachet » aho. Nihezaka nanohitra aho ka vokany dia nidofotra tamin’ny fiara teo alohany ilay fiara ka tafatsoaka aho no sady niantso vonjy . Izy ireo kosa lasa nandositra avy hatrany.” Hoy ny fitantaran’ity renim-pianakaviana niharam-boina.
“Vantany vao naharay ny fitarainana izahay dia nanaomboka ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Ankehitriny dia efa eto an-tananany ny raharaha. Eo am-panaovana ny famotorana izahay izao mialoha ny handefasana ny raharaha eny amin’ny fitsarana.” Hoy ny mpitandro ny filaminana.
Araka ny zava-nitranga dia zavatra telo no hanenjehana ireto mpanao ratsy ireto. Heloka hanenjehana azy voalohany ny fivadiam-pitokisana, manarak’izay ny halatra ary farany sy goavana indrindra ny fikasana hamono olona.
Miranto Andrih
