SportTsidika

Ambohimanambola : Mitombo laza hatrany ny taranja Basket Ball

Misy foana ny fialamboly isaky ny faran’ny herianndro ao Ambohimanambola. Manana ny toerana ny baolina kitra fa eo ihany koa ny Basketball.

« Mitohy foana izao ny lalao basket ball coupe ondry eto Ambohimanambola. Efa malaza tokoa io taranja io amin’izao eto Ambohimanambola » hoy ny mpikarakara. « Manome sehatra ny tanora foana izahay amin’ny fanatanjahan-tena. Tsy lany manan-talenta sy tanora matanjaka tia fanatanjahan-tena mantsy eto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.

Azo atao tsara tokoa ny mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny tanora, indrindra amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena. Miainga amin’ny fokontany sy kaominina toy izao ny lasa mpiaro ny voninahi-pirenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire