Amboaroy : Misy ny fampiofanana omena ny tanora ao Alasora
Misy ny fiofanana karakarain’ny fikambanana Gasy Tosika ao Amboaroy Alasora. Maro ny fampiofanana ho hita amin’izany, toy ny fahndroana sakafo sy ny zaitra ary ny fianarana teny vahiny sy ny maro hafa koa.
« Voafetra ihany ny toerana ka tsara raha manoratra anarana dieny izao isika. Tsy misy ny saram-pianarana fa fandraisana anjara no misy. Raisina eto amin’ny Fokontany Amboaroy ny anaran’ireo liana » hoy ny tompon’andraikitra. « Ho entina hanampiana ireo tanora indrindra ity fiofanana ity. Ao mantsy ireo ta hahay zavatra kanefa tsy ampy ny ho enti-manana » hoy hatrany izy ireo.
Fikambanana tia manampy ny mpiara-belona aminy ny Gasy Tosika, ary hita ho manosika tokoa. Ilaina ny fandavan-tenan’ny tsy miankina tahaka izao amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Hasina Rasamimanana
