SocialTsidika

Hetsika hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanomezana lanja ny vehivavy any Atsimo.

Betsaka ny zaza malagasy tsy afaka miditra an-tsekoly amin’izao indrindra ireo any atsimon’ny nosy noho ny tsy fahampian’ny fahafaha-manao. Antony iray lehibe ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo vahana any ka tsy mavitrika hiditra an-dakilasy ny ankizy. Tontosa ny 17 Martsa lasa teo ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny fikambanana Fitia, ny Organisation Internationale du Travail na OIT ary ny Fondation Viséo.  Tanjona mandritra ny fiaraha-miasa ny fampisakafoanana an-tsekoly sy ny fananganana fotodrafitr’asa manara-penitra ho an’ireo EPP any amin’ny faritra Androy sy Anosy. Tena ilaina ny fiaraha-miasa toy izao manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo misy any amin’ireo faritra ireo. Eo ihany koa ny hampidirana sy ny hitazomana ny mpianatra eny an-tsekoly, hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarilala Marie Michelle. Nohamafisin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina izany nandritra ny lahateny nataony fa « fitaovana anisan’ny manana ny maha izy azy indrindra eto an-tany ary koa fitaovana ahafahana mandroso sy mampivoatra ny firenena iray ny fanabeazana.”  Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka ireto. Hisy ihany koa ny fanentanana mahakasika ny « Convention C190 » momba ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny vehivavy, eo amin’ny sehatry ny asa. Tanjona ihany koa ny hiady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ny fanohanana ireo seha-pihariana mampidi-bola ary ny famindran-toerana arak’asa ara-drariny. Izany rehetra izany no entina hanamafisana ny fanomezana fahaleovan-tena ireo vehivavy sy ho fametrahana ny rariny ara-piaraha-monina. Izany tokoa ve ny hoe reny ? Miahy akaiky ny vehivavy sy ny zanany ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire