Fanehoana fitiavan-tanindrazana no ilain’ny firenena.
Tabataba, horakoraka, faty olona testy sy teroa no niseho teto Madagasikara ny 29 Martsa 1947. Tsy nanana fitaovam-piadiana afatsy lefona sy famaky ny gasy fa ny fitiavan-tanindrazana no hery nentin-nanohitra ny fanjanahan-tany. Lavo nanoloana ny tafika Frantsay ny Malagasy ary niondrika teo anatrehany sy nilavo lefona. Tsy maty an-tsain’ny taranaka aty aoriana ny zava-niseho tamin’io andro io ka natokany ho fahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena namoy ny ainy nandritra ny tolona. Betsaka ny maty, indrindra ny tany Moramanga sy Manakara izay tena nampasiaka ny Frantsay. Tapaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra tao amin’ny lapam-pirenena Iavoloha ny Alarobia 17 martsa lasa teo araka izany ny fametraham-pehezam-bonikazo any Manakara sy Moramanga ary Avaratra Ambohitsaina amin’ny fotoam-pankalazana io andro manan-tantara io. Noho ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ankehitriny anefa, ireo solontenam-panjakana foibe sy ny manam-pahefana ifotony ihany no hanatanteraka izany noho ny tsy fahazahoan-dalana mamory vahoaka. Hisy ihany koa ny fivavahana iraisam-pinoana ny 27 sy 28 martsa miaraka amin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Solontenam-panjakana vitsy ihany no omen-dalana hanatrika izany. Antenaina tsy ho faty ao am-pon’ny Malagasy rehetra ny zava-niainan’ny mpiray tanindrazana tamin’io datin’ny 29 Martsa 1947 io. Fitiavan-tanindrazana no nibahana tao am-po ka tsy nampaninona na nafoy hatramin’ny aina aza. Ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanomezana ny tsara indrindra avy amin’ny tsirairay avy no ilain’ny firenena entiny mandroso. Tsy hisy intsony araka izany ny fanjanahana ara-tsaina ny Malagasy sy fanjanahana ara-toe-karena mihatra amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
