SocialTsidika

Fa inona no tena mampirongatra ny asan-jiolahy ?

Betsaka ny vahaolana efa naroso mikasika ny lafiny sosialy. Betsaka ihany koa ireo tsy te halala afatsy ny haka izay fananan’ny hafa. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny vahoaka malagasy noho ny tsy fandriam-pahalemana mahazo vahana ankehitriny. Nisehoana trangana fanafihana tao Antanifotsy Ambatondrazaka, ny talata 16 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Jiolahy nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tranom-barotra miisa roa sy tokan-trano iray. Nasesin’ ireto jiolahy ny fanafihana ireo trano ireo ary zaza roa taona no saika ho entin’izy ireo rehefa nandà tsy hanome vola ny tompon-trano tao amin’ny trano farany notafihany. Vokany, olona roa naratra voavely vodi-basy ary vola aman’hetsiny no lasan’izy ireo miaraka amin’ny fitaovan-tsarobidy sy zava-pisotro tao am-pivarotana. Marihina fa trano tsy mifanalavitra ireto notafihin’ireo mpanao ratsy ireto. Tsy nisy sahy nivoaka anefa ny manodidina tamin’io fotoana io rehefa norahonan’ireo jiolahy tamin’ny toraky avy aty ivelany. Naharitra adiny roa teo ny fanafihana ary minitra vitsy taorian’izay vao tonga ny mpitandro ny filaminana. Taraiky ny fiantsoana azy ireo raha araka ny fanazavana. Tsy nisy ny aina nafohy ary efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Inona no vahaolana ? Inona no tena manosika ny olona sasany hangalatra ? Ny zava-misy ve no manery azy sa ny hakamoana hisasatra hitady vola ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire