Ambohimangakely : Miara-mientana amin’ny BTC ny kaominina amin’ny hetsika SSMAF
Nanomboka ny taona 2020 no efa nisy ny hetsika SSMAF izay karakarain’ny BTC Ambohimangakely. amin’izao volana jolay izao, efa vonona tanteraka ireo mpikarakara ny hesika amin’ny fanatontosana ny andiany fahatelo, izay hanomboka ny 15 jolay ho avy io. Miara-mientana ny fanatanterahana izany ihany koa ny kaominina Ambohimangakely, raha ny voalaza.
« Fifaninanana artistika sy hetsika ara-pantanjahan-tena ny hetsika SSMAF. Efa fanao isan-taona izy io ary afaka mandray anjara amin’izany avokoa na ny kely na ny lehibe ary ny kaominina dia manentana ny rehetra izay manan-talenta ho avy hisoratra anarana amin’izany » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena mahafinaritra ny hetsika SSMAF satria nahitana karazana mpanatalenta maro be ary tena nahatonga haingam-panahy avy anaty ka nahafahana nitrandraka ny talenta tany anaty, dia ny dihy izany. Hanentanana ny tanora namana satria azo atao fialamboly tsara sy hitadiavana fahaizana io hetsika io amin’izao fotoana fialantsasatra izao » hoy i Ravaka, mpandray anjara tamin’ny SSMAF.
Tsiahivina hatrany, fa maro ireo hetsika hita ao anatin’ny hetsika SSMAF, hita ao avokoa ny seho ara-kolotoraly, ny seho ara-panatanjahan-tena toy ny baolina kitra, billard, tsipy kanety be, jeu d’échecs, basket-ball, volley. Misy ihany koa ny fifaninana an-jotra (challenge). Maharitra 3 volana ity hetsika ity.
Manitra R.
