ActualitésTatitra

Comores : Novatsiana « lianes » lavanila 80 000 isa ireo mpamboly izany

Ho fanohanana ny sehatrin’ny lavanila ao Comores dia notolotrana « lianes» na hazon’ny lavanila lavanila 80 000 isa ireo mpamboly izany. Nalefa tao Ngazidja ny 50 000 isa tamin’ireo, natolotra an’i Ndzuani ny 20 000 isa ary lasan’i Mwali kosa ny hazo 10 000 isa ambiny.

Nanazava ny ministeran’ny fambolena tao an-toerana manoloana ny fiovan’ny toetry nyandro dia nisedra olona io sehatra io tao an-toerana. Nanao fanamby nefa ireo tompon’andraikitra hoy i Houmed M’saidie fa  hampiroborobo io famokarana io ary hanao izay ahazoan’ireo mpamboly tombony amin’izany.

Marihana tohanan’ny banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa PIDC io fizarana « lianes » ao an-toerana io. Ambony dia ambony ny fangatahan’ireo tantsaha hoy i Houmed M’saidie saingy mikasa ny hamatsy ny mpamboly rehetra ao amin’ny vondronosy amin’ny allalan’ny tetikasa Afidev indray izy ireo. Izy io moa dia tetikasa hiara-miasa amin’ny frantsay ho fanohanana ireo mpamboly.

Laisser un commentaire