ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Misy fampianarana mozika 

Sehatra tian’ny tanora tokoa ny mozika. Tsy voatery nahay hatrany am-boalohany anefa isika. Azo atao tsara ny mianatra sy mitrandraka ary manamafy ny fahaizana mozika.

« Misy fampianarana gitara sy piano ato amin’ny BTC Ambohimangakely. Mirary ny saram-pianarana. Azo antoka tsara ny fahaizana rehefa mivoaka ato » hoy i Ando, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Efa ela no tiako ny gitara. Mampiala voly ary tena manampy betsaka ami’ny fahaizana naoty amin’ny mozika izany » hoy i Nirina, tanora avy ao Ambohimangakely. Misy hatrany ny fizarana ny mari-pankasitrahana amin’ny faran’ny fampianarana. Ilain’ny tanora tokoa ny miditra an-tsehatra amin’izany mozika izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire