ActualitésTsidika

Akany Akamasoa : Mitombo hatrany ireo trano handraisana ireo olona sahirana

Raha miisa 3 000 ireo trano efa naorina hahafahan’ireo olona sahirana misitraka fialofana dia mbola manohy ny asany hatrany ity fikambanana ity amin’ny fiahiana ireo Malagasy latsaka an-katerena. Amin’izao fotoana izao dia misy ny fiarahamiasan’ny Akany amin’ny vondrona Axian amin’ny fananganana trano vaovao indray. Araka izany dia hisy trano miisa 30 indray hanampiana ireo 20 izay efa naoriana ao an-toerana amin’izao.

« Hiampy indray ireo olona sahirana tsy manan-kialofana ao amin’ny Akamasoa satria hiampy ireo 30 ireo indray ny trano hamboarina. Ity tetik’asa ity izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa Tafontsika. Tohana mafy ihany koa no ilain’ny Père Pedro ka izany indirndra no anton’ny fifanampiana », hoy ny avy ao amin’ny Vondrona Axian.

Marihina fa olona efa maherin’ny 500 000 no misitraka ny fanampiana ao anatin’ny akany Akamasoa. Ny tena tanjon’ity mpanorina ny akany ity dia ny hanafaka ireo olona ireo amin’ny fahasahiranany. Trano miisa 3 000 amin’izao no efa misy amin’ireo “site” rehetra raha olona miisa 25 000 no efa mipetraka amin’izany.

« Mbola maro ny asa satria miha-mitombo ihany koa ireo olona sahirana amin’izao fotoana izao. Io ezaka io anefa tsy vita raha tsy ireto telo ireto no miaraka: trano, asa ary fampianarana na fanabeazana. Ireo telo ireo no vahaolana hahahafahana manarina ireo olona ireo ka tokony hampiana », hoy i Pedro.

Araka izany dia mbola mandray ireo izay te hanampy tsy misy arakaraka hatrany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny akany. Maro ny sehatra hahafahana mandray anjara ka afaka misafidy izay hananany ny rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire