Kolontsaina: Handray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena amin’ny Slam i Madagasikara
Ho hita mandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny Slam izay hatao ao Paris manomboka anio 15 mey I Madagasikara. Ilay mpiangaly slam Hichim Abdoulanlim Abdillah avy any Comore non ho solontenan’ny Madagasikara amin’izany. Ity farany ity izay efa tompon-daka nationaly ny Slam ny taona 2022.
“Avy any Comore aho saingy teto no nahafahako nivelatra tamin’ny talentako. Teto Madagasikara no nahazoaka ireo fahalalana sy fahaizana maro be nilaiko tamin’ity sehatra iray ity. Tsy hampaninona ahy rah any sainam-pirenena Malagasy no hisalorako mandritra ny lalao ary hiaro ny voninahitr’izany firenena izany ny tenajko”, hoy ny fanambaran’I Hichim.
Tsy misy tsy mahalala izany Hichim izany ny mpankafy Slam ato Madagasikara rehetra. Efa nandray anjara tamin’ny lalao nasionaly maro izy nanomboka ny taona 2020. Efa maro ireo sehatra nahitana azy ary matetika dia mamiratra hatrany izy.
“Mandritra ity fifaninanana iraisam-pirenena ity dia slam amin’ny fiteny Malagasy mihitsy no hiangaliany. Ny tombony ho azy dia ny fahaizany mifehy io sehatra io sy ny fampiasana io fihetsiky ny tarehiny io. Matoky azy izahay”, hoy I Tohy Barasinomena Rahaova Josée, filohan’ny fikambanan’ny Slameur eto Madagasikara.
Haharitra 5 andro ny hetsika izay hanomboka anio hatramin’ny 20 mey izao. Rehareha ny fananana an’I Hichim amin’io lalao io. Mirary soa azy hatrany.
Miora Raharisolo
