ActualitésTatitra

France : Vehivavy roa no tratra nangalatra tao amin’ny toeram-pivarotana iray

Vehivavy roa notratra nangalatra akanjo tao amin’ny toeram-pivarotana iray tao Port. Hita tamin’ny caméras de surveillance moa ireo tovovavy roa ireo ka nanapa-kevitra ny nanaparitaka ny horonantsary tamin’ny tambajotra sosialy ny tompon’ilay toeram-pivarotana, saingy nisafidy ny hanakona ny endrik’izy ireo.

Nosoratan’ilay tompon’andraikitra niaraka ny horonantsary fa manome 48 ora ireo vehivavy ireo hamerina ny entana nangalariny izy raha tsy izany havoakany ny endrik’izy ireo ary hametraka fitoriana ny tenany. Nanazava ity farany fa mampatahotra ny olona kokoa ny laza ratsy amin’ny tambajotra sosialy amin’izao fotoana noho ny manam-pahefana.

Marihana fa efa olona an’arivony no nahita sy nizara ny horonantsary isy azy ireo.

Laisser un commentaire