ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Hitohy ny fanamboarana  ny lalam-be migodana

Hitohy tsy ho ela ny fanamboarana  ny lalam-be migodana (autoroute), ao amin’ny kaominina Talata volonondry izay tetik’asan’ny filoham-pirenena. Nisy ny fihatoana teo amin’ny fanamboarana lalam-be mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ity ka amin’izao fotoana dia efa tonga ireo fitaovana enti-mamita izany, araka ny voalaza.

 « Niainga ny alarobia avy ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina hihazo an’i Talata Volonondry ireo fitaovana vaventy an’ny orinasa egiptiana SAMCRETE. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo no tonga tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ireto fitaovana ireto » hoy ny avy amin’ny ministeran’ny asa vaventy.

« Mbola andiany voalohany ihany ireo fitaovana vaventy ireo fa ho avy afaka roa herinandro eo ho eo ny andiany faharoa. Hanafaingana ny fahavitan’ny tetikasa ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo mba hanajana ny tetiandro hanatanterahana ny asa » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe eo amin’ny lafin’ny fitaterana ny fahavitan’ity lalana ity, eo ihany koa ny lafin’ny fampandrosoana. Miandry ny fahavitan’izany araka izany ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire