Alasora : Tratra tamin’ny andro atoandro ilay mpangalatra
Nahatratra mpangalatra iray ny Zandarimaria tao Alasora ny 24 oktobra 2021 teo folakandro ary nentin’izy ireo avy hatrany ny mpangalatra. Niezaka niaro ny ain’ity mpangalatra ity ny mpitandro filaminana hisorohana ny fisian’ny fitsaram-bahoaka, fa ny nahagaga ny olona fotsiny dia nafenina ny tarehin’ity mpangalatra tratra.
« Marina fa tokony niaro ny ainy ireo zandary fa kosa tokony naseho ihany ny tarehin’ity mpangalatra ity mba hitandreman’ny mponina amin’ny manaraka satria tsy maintsy mbola hiverina eny amin’ny fiarahamonina eny ihany izy avy eo » hoy i André, mponina ao Alasora. « Mila mailo sy mitandrina hatrany isika vahoaka na andro na alina fa tsy kely lalana ny ratsy, efa mana ny ezaka hatrany ny mpitandro filaminana sy ny mpitondra » hoy ny solontenam-panjakana ao an-toerana.
« Ny toy ireny no tena mahabetsaka ny tsy fandriam-pahalemana ka tokony hahazo sazy enjana fa tsy sanatria mody idiana iray andro dia havotsotra avy eo » hoy i Honoré, raim-pianakaviana monina ao Alasora.
Tena ilaina tokoa ve ny fahafantaran’ny vahoaka ny mpangalatra sa avela hana ny asany ny mpitandro filaminana ?
Nicole Rafalimananjara
