Fanorenana ny « centre thermal » ao Betsiaka Ambilobe
Efa maro ireo fotodrafitr’asa nambaran’ny tompon’andraikim-panjakana fa ho aorina amin’ity taona ity. Anisany amin’ireny ohatra ny kianja manara-penitra sy ireo sekolim-panjakana izay ho hatsangana tsy ho ela. Samy maazo ny anjara tandrify azy avokoa na ireo eto andrenivohitra na ireo any amin’ny faritra miataka ny renivohitra. Ao anatin’izay asa fanorenana sy fampandrosoana ny tanàna izay hatrany, nanao fanambarana ny praiministra Ntsay Christian ny amin’ny fanorenana centre thermal ao Betsiaka Ambilobe. Ity tanàna hanaovana fanorenana ity araka ny nambarany no tanindrazan’ny filoham-pirenena teo aloha Albert Zafy. Mbola tsy fantatra amin’ny antsipirihany ny mikasika ity fotodrafitr’asa vaovao ity fa kosa nanamafy ity solon-tenam-panjakana ity fa ho atomboka tsy ela ny fanamboarana. Tsy azo odiana tsy hita kosa ny asa ataon’ny fitondram-panjakana na dia eo aza ireo lesoka maro samihafa. Miasa ireo tompon’andraikitra amin’izany fa kosa tsy mahafantatra ireo filàna fototra tadiavin’ny vahoaka amin’izao fotoana.
Ally Herisoananahary
