ActualitésTatitra

Etats-Unis : Reny iray no notifirin’ny zanany 2 taona tsy nahy tamin’ny basy

Tranga fahita matetika ao Etats-Unis ny zaza mitifitra basy tsy nahy ny ray aman-dreniny. Nisehoan’izany tranga izany indra tao Norwalk, ao Ohio ny herinandro lasa teo. Renim-pianakaviana iray nitondra vohoka 8 volana no namoy ny ainy rehefa voatifitry ny zanany lahikely 2 taona ny basy. Raha ny fanazavana dia tao an-trano ihany no nahitan’io zaza io ilay basy.

Voa tao amin’ny lamosiny ilay vehivavy saingy mbola nahavita niantso ny manam-pahefana sy nitantara ny zava-nisy izy. Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly kosa nefa izy dia namoy ny ainy niaraka ilay zaza tao an-kibony io renim-pianavakiana io raha ny tatitry ny tompon’andraikitra ny polisy tao an-toerana, David Smith.

Tao anaty latabatra iray tao an’efitr’ireo ray aman-dreny kosa no nahitan’io zaza io ilay basy raha ny fanamafisana. Basy roa hafa no hita niaraka izany raha ny fanazavana ary nilaza ny rain’ny zaza fa azy izany ary nahazoany alalana ny fiazonana azy.

Laisser un commentaire