ActualitésTsidika

Alasora : Nosantarina tamin’ny lalao niarahana tamin’ny mpitandro filaminana ny fampiasana ny kianja filalaovana ny taranja basket

Ny sabotsy lasa teo no nanatontosana ny lalao ara-panatanjahantena eo amin’ny taranja baskety, izay nandraisan’ireo avy ao amin’ny polisy nasionaly sy ny zandarimaria, lahy sy vavy, ao Alasora sy ny manodidina anjara, ho fisantarana ny fampiasana ny kianja filalaovana vaovao ao an-toerana.

« Mbola misy ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fotodrafitr’asa ary ezahina harenina izany. Isaorana ny ekipan’ny polisy nasionaly sy ny zandarimaria nasionaly tonga nandray anjara niaraka tamin’ny ekipa teto an-toerana, nandritra izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Entina hanomezana sehatra ny fanatanjahan-tena eto Alasora sy hanampiana ny tanora no anton’ny nanaovana izao foto-drafitr’asa ho an’ny fanatanjahantena izao. Ary ho an’ireo izay te hampiasa izany kianja izany moa, misy ny fandaminana arahina, dia ny fanoratana ny anarana mialoha eny anivon’ny kaominina » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina

Fananana iombonana, entina hanomezana sehatra ny fanatanjahan-tena sy ny tanora ny foto-drafitr’asa tahaka izao. Ny fanentanana ireo mpampiasa azy mba hahay hikoja sy hanaja izany no tsara hamafisina mba hampaharitra izany, ho dimbiasin’ireo zandry ao aoriana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire