Ny tsy fitandremana no tena mitarika ny lozam-pifamoivoizana.
Inona tokoa no tena mahabetsaka ny lozam-pifamoivoizana amin’izao ? Isanandro dia tsy maintsy misy foana izany loza izany izay hamoizana ain’olona mihitsy aza. Tsy hay na tsy fitandremana avy amin’ny ankilany fotsiny na avy amin’ny andaniny sy ankilany miaraka. Vao ny alahady teo izao teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, teo atsimon’Iavoloha nisy faty olona mahatsiravina vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Olona telo mianaka nandeha moto no tra-doza raha iny handeha hivavaka iny ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Niala tamina bisikileta dia nidona tamina fiara mpitatitr’entana lehibe iray. Maty tsy tra-drano izy mivady sady potsi-doha ihany koa fa ilay zanany kosa nentina namonjy hopitaly haingana. Iza no omen-tsiny amin’izao tranga izao ? Ny fijerena ny lalana haleha no tokony ataon’ireo mpivezivezy amin’ny kodiarana mba hisorohana ny toy izao. Tsy fahaizana lalàna mifehy ny fifamoivoizana ihany koa no tena mahabetsaka azy ity ka mila jeren’ny tompon’andraikitra akaiky izany. Tsikaritra ihany koa fa ireny kodiaran-droa ireny no tena mitari-doza satria efa betsaka izy amin’izao ary ny olona rehetra dia afaka mitondra avokoa, izy ireny ihany koa dia afaka misisika eny an-dalana satria kely. Tokony hisy ve izany ny sivana ho an’ireo afaka mitondra azy ireny mba hampirindra ny fifiamoivoizana sa ny lalàna mifehy ny fitondrana azy no mila hamafisina ?
Nicole Rafalimananjara
