Zava-dehibe ny fananana toeram-pitsaboana.
Ny fahasalamana no voalohan-karena satria sarobidy tokoa izy io fa tsy hananam-piry. Aleo misoroka toy izay mitsabo, hoy ny Ntaolo kanefa rehefa tojon’ny tena aretina tsy maintsy mitsabo ihany. Olana eto amintsika ny tsy fahampian’ny dokotera mpitsabo, eo ihany koa ny fahalaviran’ny toeram-pitsaboana indrindra ho an’ireo izay any ambanivohitra. Zon’ny olom-pirenena tsirairay anefa ny hotsaboina sy hisitraka fitsaboana ara-dalàna. Olana ho an’ny mponina tao Ambodirano Distrikan’Amparafaravola ny tsy fisian’ny toeram-pitsaboana manaraka ny fenitra sy mendrika ho an’ny vahoaka. Ankehitriny anefa, efa an-dalam-pahavitana ary hotokanana afaka andro vitsy ny CSB II Ambodirano. Efa mipetrapetraka avokoa ny fitaovana ilaina rehetra, indrindra moa ny fahavononan’ireo mpitsabo handray ny asany, saingy ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy sisa no andrasana. Toeram-pitsaboana manara-penitra ity natsangana ity satria mendrika izany tokoa ny vahoaka. Na dia efa tsara aza ny toeram-pitsaboana, tsara lavitra noho ny mitsabo ny miaro tena tsy ho azon’ny aretina mba hanana vatana sy saina tomady ka afaka hiasa ho an’ny taranaka. Sambatra tokoa ny firenena iray rehefa manana vahoaka salama sy tomady ka afaka mampandroso azy.
Nicole Rafalimananjara
