Arovy ny tontolo iainana ho an’ny taranaka rahatrizay.
Ny fiarovana ny tontolo iainana no vahaolana maharitra ho an’ny mety ho fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. Betsaka ireo faritra arovana eto Madagasikara kanefa mbola be ihany ireo ratsy tsy kely lalana manimba azy ireny. Toy ny tany Menabe Antimena, nanatsatohana lefona an’ilay ben’ny ala iray ary naratra mafy ity farany. Nanolo-tanana izany loza izany ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny fikambanana Fanamby. Nanampy tamin’ny fitondrana ity ben’ny ala ity tamin’ny angidim-by izy ireo ary novonjena haingana ny ainy. Nanameloka izao famonoana izao ny eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana ary voalaza fa tsy maintsy hisy ny fanasaziana ny nahavanon-doza. Efa sady mandoro ala sy manimba ny hoavin’ny taranaka no mbola mamono olona ihany ko aizy ireo. Hanao ahoana ny tontolo iainan’ny Madagasikara raha toy izao foana ? Ny fanabeazana ireo taranaka ho avy ve no mila hamafisina sa fanovana ny toe-tsain’ireo taranaka amin’izao ?
Nicole Rafalimananjara
