Miandry fatratra ny vatsim-pianarana roa volana farany ny mpianatra eto Antananarivo
Efa hifarana ihany ity ny taom-pianarana eny anivon’ny anjerimanontolo, ireo afaka tamin’ny fifaninana ny taona lasa aza dia mbola tsy nianatra mihitsy fa miandry ny fahavitan’ity taom-pianarana 2019-2020.
Nisy ny fanomezan-toky fa hivoaka ny faran’ny taom-pianarana ny vatsim-pianarana roa volana farany. « Efa tokony hivoaka mihitsy ny tetiandro amin’ny fizarana ny vatsi-pianarana roa volana farany kanefa mbola tsy misy resaka hatreto » hoy i Tsiory, mpianatra ao amin’ny « Faculté des Sciences », Ankatso. « Mamofompofona grevy indray any ho any, tsy adinonany mantsy akory iny bourse roa volana farany iny na dia novaina aza governemanta na dia nisy saika hamono aza ny filoha » hoy ny mpianatra iray hafa.
« Efa mandeha ny fizarana ny vatsi-pianarana any amin’ny Oniversite hafa toy i Mahajanga ka aoka hiandry ny fandaminana isika » hoy ny avy ao amin’ny Minsitera. Ny vatsimpianarana tokoa mantsy no karazana tosika sy fanohanana kely ireo tanora Malagasy tia mianatra ka afaka mampandroso ny firenena. Efa nampanantenaina rahateo izy ireo fa tsy hijanona akory ny fanomezana izany fa hohatsaraina sy ho hampitomboina aza raha ny tetnin’ny filoha nandritra ny fampielezan-kevitra. Efa nampidirina rahateo ny fanavaozana nomerika ka tokony tsy hahitana olana intsony ny fizarana izany.
Rahoviana amin’ilay « tsy ho ela » no anjaran’Antananarivo ? Mety hilamina tsy hisy grevy intsony ve alohan’ny hizarana azy ? Raha ny teo aloha mantsy, nisy foana ny tolona nataon’ny mpianatra vao mba ho azo ilay vatsim-pianarana.
Nicole Rafalimananjara
