ActualitésTsidika

Azo ekena ve ny fanalan-jaza ?

Betsaka ny tanora amin’izao no miroboka tanteraka amin’ny fanalan-jaza noho ny mbola fanohizana ny asa sy ny fianarana. Raha mitondra vohoka mantsy dia tsy maintsy mijanona amin’ny fianarana sy ny asa noho ny toe-batana amin’ny ankapobeny.

Firifiry ny tanora mpikankatia no miroso amin’ny firaisana ara-nofo mialohan’ny fanambadiana, hany ka mitoe-jaza no hiafarany ary miroboka amin’ny fanalan-jaza avy eo rehefa mbola te hanohy ny fahatanorany malalaka tsy misy zaza.

« Tsy mety ny fanalan-jaza satria mamono olona ihany no anaran’izany, mila am-pandeferina ny zavatra iray raha te hahomby fa tsy hoe azo ny valala no azo ny fandriana mafana, sady sitra-po anie izany koa nahoana no vonoina ny tsy manan-tsiny » hoy ny renim-pianakaviana iray. « Ny zaza mbola any am-bohoka dia tsy mbola manana zo raha ny ara-panjakana satria tsy mbola misoratra ara-panjakana ka manana kopia, ary eken’ny tribonaly ny fanalan-jaza raha toa misy antony mazava sy tsy azo anoharana raha ny any ivelany no lazaina » hoy i Setra, mpahay lalàna.

« Tsy fantatry ny tanora intsony izay ataony, tsy mahalala izay mahasoa aloha, ireo mpianatra ho mpitsabo tsy tafita amin’ny fianarana aza dia miroso amin’ny fanalan-jaza izany hoe izy ireo mihitsy no mandray an-tanàna ny zatovavy ka manala ny zaza amin’ny alalan’ny tsindrona na fabnafody na fandidiana na fisikirana azy mihitsy » hoy i Arsène, mpampianatra.

« Misy fiatraikany amin’ny fahasalaman’ny vehivavy ny fanalan-jaza izay mety tsy hampiteraka azy intsony fa indrindra ny homamiadan’ny tranon-jaza izay sarotra tsaboina, koa aoka tsy hiroboka amin’izany ny tanora fa handanjalanja izay ataony » hoy i Dokotera Lucie.

Tsy mahasoa, na ara-pahasalamana, na ara-piarahamonina, na ara-moraly, ny fanalan-jaza fa ny tanora no aoka hametraka safidy eo amin’ny fiainana. Efa re matetika any anaty onjam-peo any ihany koa ny fanentanana maro mikasika ny tokony hanantonana ny tobim-pahasamana raha hanontany ny resaka fananahana mba hsiorohana ny vohoka tsy iriana na aloha loatra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire