SocialTsidika

Mirongatra ny fanimbana ala any Beparasy Moramanga

Mirongatra ny fanimbana ala sy ny fanaovana hazo ala any Beparasy, Kaominian Mangarivotra, Distrika Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro izay toerana misy ala voajanahry manasaraka an’i Moramanga sy Manjakandriana ary Andramasina.

Olona efatra no efa voarohirohy ary nivoaka ny 18 aogositra teo ny didim-pitsarana. « Tsy eken’ny lalana mifehy ny tontolo iainana ny fandripahana ny ala toy izao izay antoky ny fahadioavann’y tontolo iainana eto amin’ny firenena sy izao tontolo izao mihitsy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. « Zava-dehibe ny hamerenana ny nosy ho nosy maitso mba ho an’ireo taranaka rahatrizay indrindra hisorahana ny fiovaovan’ny toetr’andro koa ireo ma, ndika ziany dia tokony ho faizina mihitsy satria mamono ny Malagasy rehetra izany » hoy i Nancia, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, mandinika manokana mikasika ny zava-maniry. « Misy ny fakana tany ataon’ny vahiny tsy avy eto amin’ny faritra ka izany no tena ambadik’izao fandripahana ny ala izao » hoy kosa ireo fokonolona eny an-toerana.

Antenaina fa hitohy hatrany ny fikarohana ireo mpanimba ny ala eto amintsika ka ho anatra ho an’ireo hafa mbola miafina any ho any ny sazy miandry azy ireo. Hamerina indray ny firenena ho nosy maitso no tokony ho tanjona iombonana mba ho an’ireo taranaka amam-para.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire