ActualitésTsidika

Toe-karena : Hametrahana paik’ady vaovao hiarovana ny vokatra sy ny mpanjifa ny faritra Alaotra Mangoro

Hahafahana miaro ny vokatra sy mitsinjo ny mpanjifa dia manana paik’ady vaovao ny Ministeran’ny toe-karena ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Nisy ny dinika izay natao nahafahana nahita izany vahaolana izany. Amin’ny maha-sompitr’i Madagasikara ity faritra ity dia mitana anjara toerana lehibe amin’izany ireo tantsaha sy ny vokatra ao aminy. Tsy maintsy arovana sy omena lanja araka izany izy ireo hahafahana mampitombo hatrany ny famokarana.

« Tsy tokony ho latsaky ny 1 500 ariary ny kilaon’ny akotry mba tsy hahafatiantoka ny mpamokatra. Araka izany dia efa misy ny orinasa handray ireo vokatra ireo ahafahana ihany koa manangona izany. Izany paikady izany no hatao mba hahafahana mitsinjo ireo mpanjifa sy ho fiarovana ny vidin’ny vokatra ny tantsaha rehefa amin’ny vanim-potoan’ny maitso ahitra », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana.

Nisokatra ny sabotsy 20 mey teo ny taom-pijinjana tany an-toerana ka ny fahasahiranana isan-taona no antony nanosika ny Ministera nandray izany fanapahan-kevitra izany. « Tsara ilay fandraisana andraikitra, sady hanampy ny mpamboly no haitsinjo ny fanjifana. Mampitombo ny ezaka ny mpamboly izany ary tena ho zava-dehibe ho an’ny firenena », hoy i Sahondra, tantsaha avy ao Ambandrika, Ambatondrazaka.

Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy. Ny fanafarana azy io anefa no mampitombo ny fandaniana, ka tokony ho tohizana sy hatsaraina hatrany ity paik’ady vavao ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire