SocialTsidika

Ranohira : Azo hisintonana mpizaha tany ny kolontsaina

Isan’ny misintona mpizaha tany ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao eto amintsika. Hasongadina mandritra ny telo andro ao Ranohira, Ihorombe ny kolontsaina Bara.

« Tafiditra ao anatin’ny Festival Karitaky andiany faha-12 izao hetsika izao. Mila ampahafantarina hatrany ny kolontsaina Bara mba hisintonana ireo mpizaha tany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina. « Hisy ny karazana fifaninanana ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena toy ny ringa sy ny tora-defona izay mampiavaka ny faritra » hoy ny mpikarakara ny Festival.

« Manome lanja ny kolontsaina sy ny zavatra tianay ny toy izao. Irariana hitohy hatrany » hoy i Tendry, mponina ao Ranohira. Misy ihany koa ny fampisehoana sy fanentanana entin’ireo mpanakanto avy ao an-toerana mandritra io fotoana io.

Manandratra avo ny kolontsaina tokoa ny tahaka izao. Miainga amin’ny izay eo am-pelantanana ny fampandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire