ActualitésTsidika

Fotoam-pahavaratra : Efa mivonona amin’ny fiakaran’ny rano ny APIPA

Fotoam-pahavaratra izao ary betsaka ny rotsak’orana. Efa mivonona ny amin’izany ny APIPA mba hialana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano betsala loatra. Miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ity rafitra iray ity amin’ny fanatrarana izany tanjona lehibe izany.

« Isan-taona dia olana foana ny rano miakatra eto Antananarivo indrindra amin’ny faritra iva. Manatanteraka fanadiovana, fanalana riam-potaka sy fasika amin’ny ivon-toerana fitrohana rano eny Ambodimita izahay amin’izao fotoana izao ahafahan’ny rano mivarina tsara amin’ny toerana tokony hisy azy. Hotohizana eny amin’ny farihin’Anosy sy Masay ihany koa izao hetsika izao satria ireo no faritra tena hivarianan’ny rano avy amin’ny toerana maro manodidina an’Antananarivo ary tsy hifarana izany asa izany raha tsy ny 29 desambra », hoy ny avy ao amin’ny APIPA tamin’ny fanazavana nentin’izy ireo.

« Rehefa vita ireo asa ireo, tsy atahorana ny fisian’ny tondra-drano. Hahavita hitroka rano 3m3 isan-tsegondra ny fitaovana miisa 3 ao Ambodimita. Ity toerana ity izay tsy mbola miasa amin’izao, ary tsy miasa raha tsy amin’ny fotoam-pahavaratra be. Mbola zakan’i Mamba sy ny Canal C3 hatreto ny rano ateraky ny orana kanefa mila hatao faran’izay haingana ny asa fanadiovana », hoy hatrany ny fanazavana.

« Ety aminay vao avy kely fotsiny io orana io dia teraka ny tondra-drano. Sady mamotaka no miteraka fofona ratsy ilay izy. Raha amin’izao no misy olona miantso anay hanadio dia vonona fa ilaina izy io mba hahafahan’ny rano mivoaka tsara. Na ny fitadiavana ny ny fivezivezena dia manahirana foana ka izay indrindra no ilaina izany fanadiovana sy fiomanana izany », hoy i Céline, mponina eny Ankasina, toerana hisehoan’ny tondra-drano matetika isan-taona.

Vahaolana maharitra hatrany no tsara haroso mba tsy hiverenan’ny olana foana. Ankoatra izany anefa dia mila hampitomboana ny fanabeazana amin’ny tsy fanariana fako eny rehetra eny, antony iray mahatonga ny fiangonan’ny rano. Manana anjara andraikitra amin’izany avokoa ny olona rehetra tsy ankanavaka ka tokony samy handray izany andraikitra izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire