ActualitésTatitra

Tunisie : Miaramila telo maty tamina fianjerana angidimby

Miaramila telo no maty ny talata teo noho ny fianjeran’ny angidimbin’ny tafika hoy ny mpitondra tenin’ny ministera ny fiarovana, Mohamed Zekri. Nanao fanazaran-tena tamin’ny andro alina tao Gabès ao atsimon’i Tunisie ireo miaramila ireo raha ny fanazavana. Tao amin’ny tanànan’i El Hamma tao Gabès ihany no nianjery ny angidimby hoy izy ary efa nanokatra fanadiadiana izay mety nitarika io loza io ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire