Comores : Voafidy hitantana ny « Comité national de coordination du Fonds Mondial » indray i Loub Yacout Zaidou
Miditra amin’ny fe-potoam-pitanany faharoa ny « Comité national de coordination du Fonds Mondial » ny ministry ny fahasalamana ao Comores, Loub Yacout Zaidou. Voafidy hitanatana io komity indray tamin’ny vato 22 tamin’ny mpifidy 23 isa izy nandritra ny fivoriamben’ny komity tao amin’ny hotely Retaj tao Moroni ny 31 janoary teo.
I Mariam Sylla, solontenan’ny Unicef ihany koa dia voafidy tsy nisy nanipaka ho filoha lefitry ny komity indray. I Ibrahim Nadhufou kosa no filoha lefitra faharoa izay nahazo vato 22 tamin’ny mpifidy 23. ANkoatra ny fifidianana dia noresahina nandritra io fivoriana io ihany koa famatsiam-bola 2023-2025, ny fitsinjarana sy ny fanamarinana ny vola natokana ho an’ny NFM4 sy ny fanolorana ary ny fandinihana ny « lettre d’attribution C19 RM » ho amin’ireo fandaharan’asa telo.
