Dépêches

Fotodrafitr’asa : Tapaka ny lalana eo amin’ny PK 378+000 amin’ny RN4

Dépêche 02 février, 11h, Noho ny fanamboarana ilay tetezana amin’ny hamehana noho ny rivo-doza Cheneso dia misy fahatapahana ny lalana mampitohy an’ny Mahajanga sy Antananarivo izay hita eo amin’ny PK 378+000. Eo amin’ny fokontany Ambalambongo ao amin’ny Distrikan’ny Maevatanana no ahitana izany toerana izany. Rahampitso zoma 03 febroary manomboka amin’ny 6ora maraina ka hatramin’ny 1ora tolak’andro izany fahatapahana izany. Tsy hisy ny lalana hahafahana miodina ka ireo mpampiasa lalana no hiangaviana hanaraka ny lamina avy amin’ny tompon’andraikitra mandritra izany.

Laisser un commentaire