ActualitésTatitra

OMS : Manimba ny tontolo iainana ny indostrian’ny sigara

Naneho fanaraina ny OMS. Ankoatra ny fiantraikan’ny sigara eo amin’ny fahasalaman’ny daholobe dia manimba ny tontolo iainana ihany koa. Miteraka fandotoana sy fiparitahana entona mandray anjara amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany.

Anisany ireo tena mandoto ny tontolo iainana ny indostrian’ny sigara hoy ny Talen’ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny OMS, Rüdiger Krech. Nanamafy izy fa izany sehatra izany no nandripaka ny 600 tapitrisan’ny hazo noho ny fambolena azy misahana tany 200 000 hekitara, noho ny filàny rano 22 miliara litatra ary noho ny famoahany « CO2 » 84 tapitrisa taonina.

Ankoatr’izany dia misy singa simika 7 000 ny sigara ary 4 500 miliara borika sikara isan-taona no miparitaka eny amin’ny tontolo iainana.

Laisser un commentaire